TOETRA ARA-PANAHY (#9332)

Ry Tompoko ô! Aoka ny hatsaran’ny Endrikao ho sakafoko, ary ny fanatrehanao ho zava-pisotroko, ny fahafinaretanao ho fanantenako, ary ny fiderana Anao ho hetsika ataoko, ny fahatsiarovana Anao ho namana tsy mahasaraka ahy, ary ny herin’ny fiandriananao no famonjena ho ahy, ny Akaninao ho fonenako, ary ny trano fonenako ho toerana izay nohamasininao niala tamin’ny fetra izay napetraka tamin’ireo izay nisarona voaly teo Anatrehanao.
Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9333)

Amorony fo madio ao anatiko, ry Andriamanitro ô, ary havaozy ao anatiko ny saina tony ry Fanantenako ô! Amin’ny herim-panahy, hamafiso aho ao amin’ny Fototrao, ry Malalako indrindra ô,  ary amin’ny alalan’ny fahazavan’ny Voninahitrao, asehoy amiko ny Lalanao, ô Ianao ry Tanjon’ny faniriako! Amin’ny herin’ny Fahefanao avo indrindra, asandrato hatrany amin’ny lanitry ny Fahamasinanao aho, ry Loharanon’ny fisiako ô, ary amin’ny tsioka mamelombelona ny Mandrakizainao, ampifalio aho, ô Ianao, izay Andriamanitro! Aoka ny antsan-kiranao mamelovelo tsy manam-pahataperana  hamelona fitoniana ato amiko, ry Namana tsy mahasaraka ahy; ary aoka ny haren’ny Endrikao fahagola hanafaka ahy amin’izay rehetra hafa afa-tsy Ianao,  ry Tompoko ô, ary aoka ny vaovao mahafaly ny fanehoana ny maha-izy azy Anao tsy azon-hihodiovirana hitondra fifaliana ho ahy. Ianao, Ilay Miharihary noho ny miharihary,  ary Ilay Miafina indrindra noho ny miafina!

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9334)

Ho Anao ny fiderana, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay notanana an-tranomaizina tao amin’ny tanànam-pigadran’i Akora, nianjera teo an-tanan’ny fahavalony - araka izay hitanao ry Andriamanitro ô – ary norahonan’ny sabatry ny ratsy fanahy. Hanamafiso aho ao amin’ny Fototrany ary tariho mandrakariva ny fijeriko ho any amin’ny Lapany mba tsy hisy hanana fahefana hampitodika ny fijeriko tsy ho any Aminy.
Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nanolotra ny fiainany Izy ho eo amin’ny lalanao, ary tsy naniry ho an’ny Tenany afa-tsy ny fahoriana noho ny fitiavany izay nananany Taminao. Niharitra henatra maro Izy mba ahazoany manambara ny Fiandriananao amin’ny mpanomponao sy manandratra ny Teninao eo amin’ireo voaharinao. Raha mbola niharatsy ny fahoriana ka mamely azy hatraiza hatraiza ny fampahoriana izay narotsakao Taminy, nanjary niredareda noho ny fieritreretana Anao Izy ka ny hamaroan’ireo izay tsy nino Anao sy tsy nanaiky ny Famantaranao dia nitsahatra tsy nampihorohoro Azy.
Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô; amin’ny Alalany sy izay rehetra mahakasika Azy, mba hametraka ny fitiavako Aminy, toy izay nametrahany ny fitiavany Aminao. Milaza marina aho fa ny Fitiavany dia ny Fitiavanao, ny Tenany dia ny Tenanao, ny Hatsaran-tarehiny dia ny Hatsaran-tarehinao ary ny Fotony dia ny Fototrao. 
Aza lavinao amiko, ry Tompoko, izay anananao ary aza avela hanadino izay nirianao amin’ny Andronao aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Hendry Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9335)

Eo amin’ny alon-drano mamerovero ny Mandrakizainao, avelao aho hiala hetaheta, ry Andriamanitro ô, ary mamelà ahy hanandrana amin’ny voan’ny hazon’ny Fisianao, ry Fanantenako ô.
Amin’ny loharano madio mangatsakatsakan’ny fitiavanao, avelaho aho mba hampitony ny hetahetako, ry Voninahitro ô, ary eo ambanin’ny aloky ny Fitondranao mandrakizay, avelao aho hitoetra, ry Fahazavako ô!
Ao amin’ny tanin’ahitra ny fanakakaizanao, eo amin’ny Fanatrehanao, avelao aho hirenireny, ry Malalako ô ary eo an-tanankavanan’ny seza fiandrianan’ny Famindramponao, apetrao aho, ry Faniriako ô. 
Aoka ny tsiodrivotra manitry ny Fifalianao handalo eo amiko, ry Tanjoko ô, ary ao amin’ny paradisa avon’ny maha-Izy Anao, aoka aho hahita fidirana, ry Deraiko ô!
Mamela ahy hihaino ny antsankiran’ny voromailalan’ny firaisanao, ô Ianao, Ilay Mamirapiratra ô ary noho ny fanahim-Pahefanao sy ny Herinao, velomy aho, ô Ianao, Ilay Mpamelona ahy ô!
Aoka hitoetra ho matotra mandrakariva ao amin’ny fanahin’ny Fitiavanao aho, ry Mpanohana ahy  ô, ary amafiso ny diako eo amin’ny lalan’ny fahafinaretanao, ry Mpamorona ahy ô!
Ao amin’ny sahan’ny fisianao mandrakizay, manoloana ny Endrikao, avelao aho honina mandrakizay, ô Ianao, izay mamindra fo amiko, ary eo amin’ny Sezam-boninahitrao, aoreno aho, ô Ianao Ilay Tompoko!
Eny amin’ny lanitry ny Hatsaram-ponao be fitiavana, asandrato aho, ô Ianao, Ilay mampavitrika ahy , ary eny amin’ny Kintana marainan’ny Fitarihinao, tariho aho, ô Ianao Ilay Misarika ahy.
Manoloana ny fanehoana ny Fanahinao tsy hita maso, meteza hiantso ahy, ô Ianao izay Anton’ny Fisiako ary Faniriako fatratra ary any amin’ny votoatin’ny hanitry ny Hatsaran-tarehinao izay hirinao aseho, ataovy izay hiverenako, ô Ianao, Ilay Andriamanitro!

Manampahefana hanao izay Sitrakao Ianao. Ianao marina tokoa, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Faratampony.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9336)

Omem-boninahitra Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Misaotra Anao aho noho izay niantsoanao ahy tamin’ny fahavelomana amin’ny Andronao, ary noho izay namenoanao ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao ao amiko.
Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao, izay nampitranga ny voahangy tsaran’ny Fahendrenao sy ny Teninao avy amin’ny tahirin’ny fon’ny Mpanomponao izay eo Akaikinao, ary koa avy amin’ny Kintan’ny Marainan’ny Anaranao, Ilay Mpangoraka, izay nandefa ny tarany amin’ireo rehetra izay any an-danitrao sy ny ety an-taninao, mitaraina Aminao aho hanome ahy, noho ny Fahasoavanao sy ny Hamoramponao, ireo hamoraponao mahatalanjona sy miafina.
Indreto ny andro fiandohan’ny fiainako, ry Andriamanitro ô, izay nampiraisanao tamin’ny andron’ny Tenanao. Ankehitriny, satria efa nanokananao ho ahy ny voninahi-dehibe tokoa, aza manaisotra amiko izay zavatra natokanao ho an’izay olom-boafidinao.

Ry Andriamanitro, tsy inona akory aho fa voatsinampy kely izay nafafinao tamin’ny Tanim-pitiavanao sy izay natosakao tamin’ny Tanam-pangorahanao. Io voa io dia mangetaheta, noho izany, hatrany amin’ny vololon’ainy, ny ranom-pamindramponao sy ny loharano velon’ny Fahasoavanao. Arotsahy aminy avy any an-danitry ny Hamoramponao be fitiavana izay hampamelana azy eo ambanin’ny Alokao sy ao anatin’ny Lapanao. Ianao Ilay izay manondraka ny fon’izay rehetra nanaiky Anao, avy amin’ny ranon’ny Reniranonao mahenika sy ny Loharanonao velona.
Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9337)

Voninahitra ho Anao, o Ianao izay Tompon’izao rehetra izao sy Malalan’ireo izay nanaiky Anao! Hitanao aho eo ambanin’ny sabatra mihantona amin’ny singan-kofehy, ary fantatrao fa amin’izany fepetra izany, tsy nanadino ny andraikitro manoloana ny Fototrao sy hampiely ny fankalazana Anao, hanambara ny Fahatanterahanao ary hilaza izay rehetra nandidianao ahy tao amin’ny Takelakao. Na dia efa akaiky hianjera eo amin’ny lohako aza ny sabatra, dia miantso ireo izay tianao aho,  tamin’ny lantom-peo izay nitondra ny fon’izy ireo  ho  eny amin’ny faravodilanitry ny Fiandriananao sy ny Fahalehibeazanao.
Diovy ny sofin’izy ireo, ry Tompoko ô, mba ahazoany maheno ny antsa izay nisandratra eny ankavanan’ny seza Fiandriananao. Mianiana aho noho ny Herinao! Fa ireo izay mikasa hanongilantsofina amin’io firindrana io dia hanidina ho eny amin’ny fanjakan’ny Fanambaranao, fanjakana izay hanambaran’ny voahary rehetra fa Andriamanitra Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay mamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany. Sokafy ry Andriamanitra ô, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio izy ireo amin’ny hamamin’ny teninao, ka na ny loza aza tsy hanan-kery hisakana azy tsy hitodika any Aminao sy hitarika ny fijeriny any amin’ny faravodilanitry ny Fanambaranao. 
Nanenika ny tany ny haizina, ry Andriamanitro ô, ary nampihovitrovitra ny ankamaroan’ny mpanomponao. Miangavy Anao aho, amin’ny Anaranao Lehibe Indrindra, mba hampitranga isa-tanàna fahariana vaovao izay, mitodika any Aminao sy mahatsiaro Anao eo amin’ireo mpanomponao, hamelatra ny fanevan’ny fandresena amin’ny alalan’ny hasoan’ny teniny sy ny fahendreny ary tsy hiraikitra amin’ireo zavatra nohariana rehetra.
Manana ny fahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay izay italahoan’ny olon-drehetra tohana.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9338)

Ry Andriamanitro, noho ny herinao sy ny fiandriananao izay mandrakotra ireo rehetra any an-danitra sy eto an-tany, mangataka Aminao aho hampahalala amin’ny mpanomponao ny lalana mazava sy mahitsy, mba ahafantarany marina ny Firaisanao sy ny maha-Iray Anao ka tsy ho voahelingelina noho ny hevi-dravin’ ireo  tsy mpino, na ho hamaizinin’ny fisainam-poanan’ireo be di-doha.
Hazavao, ry Tompoko, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio ny fony amin’ny famirapiratry ny fahazavan’ny fahalalahanao, mba ahazoan’izy ireo mahafantatra ny halehibiazan’io laharana tena tsara io ary mahafantatra io faravodilanitra manjelanjelatra io, ka, soa ihany, fa na ny horakoraky ny olona aza dia tsy hanana hery hampiodina ny fijeriny amin’ny famirapiratry ny hazavan’ny Firaisanao , ary ny endriny eny amin’ny vodilanitry ny tsy firaiketana.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9315)

Miangavy Anao aho hamela ny heloko, ry Tompo, noho ny fanambarana hafa afa-tsy ny fanambarana Anao, ny fiderana hafa afa-tsy ny fiderana Anao, ny firavoravoana hafa afa-tsy ny firavoravoana ny eo akaikinao,  ny fahafinaretana hafa afa-tsy ny fahafinaretana noho ny fiombonana Aminao sy ny hafaliana rehetra afa-tsy ny hafalian’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara,  ary ny zavatra mikasika ahy rehetra izay tsy hitondra ahy ho amin’ny fifandraisana Aminao, O Ianao izay Tompon’ny Tompo, Ianao izay manome ny fitaovana sy manokatra ny fanalahidy ny varavarana.

-The Báb
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9316)

Voninahitra ho Anao, ry Tompo Andriamanitro! Tsy misy afaka amin’ny Fahalalanao, toa izay tsy afaka ihany koa amin’ny Herinao miafina na hanohitra ny Fikasanao, na any an-danitra izany na eto an-tany, na tamin’ny lasa na amin’ny ho avy.
Hitanao ny paradisa sy ireo izay monina ao, mijery ny fanjakana eto an-tany sy ireo mponina ao aminy Ianao. Izy rehetra dia mpanomponao ary tazominao eo an-Tananao.
Ry Tompo! Ataovy mpandresy ireo mpanomponao manam-paharetana mandritry ny Andronao amin’ny fanomezanao azy fandresena mendrika, satria niharitra fijaliana izy ireo teo amin’ny lalanao. Ataovy aminy izay hampifaly ny sainy, hampiray ny fony, hampiadana ny tenany ary hamela ny fanahiny hisandratra eny amin’ny fanatrehana an’Andriamanitra, Ilay tena Ankalazaina ary hahatratra ny paradisa avo indrindra sy ny tanjona ny voninahitra natokanao ho an’ireo olona tena mahalala sy maripiainana. Marina tokoa, fantatrao ny zava-drehetra kanefa izahay dia tsy inona fa mpanompo Anao, mpanomponao, mpiankina Aminao ary olo-mahantranao. Tsy mitady Tompo hafa afa-tsy Ianao izahay, ry Andriamanitra Tomponay ary tsy mangataka tsodrano na fahasoavana na amin’iza na amin’iza afa-tsy Aminao, Ianao Ilay Andriamanitry ny famindrampo ho an’ity tany ity sy ireo namana. Tsy misy afa-tsy ny fisehoan’ny fahantrana, ny fahafoanana, ny fahalemena sy ny fahaverezana kanefa ny Tenanao dia mampiseho ny fananan-karena, ny tsy fiankinana, ny voninahitra, ny fiandrianana sy ny fahasoavana tsy hita lany.
Ovay ry Tompo, ny fahamendrehana, araka izay itiavanao azy, ho soa eto an-tany sy any an-danitra.
Ianao, marina tokoa, no Tomponay sy Ilay Tompon’ny zava-drehetra. Apetrakay Aminao izany ary maniry mafy ireo zavatra Anao izahay.

-The Báb
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9373)

Ry Tompoko ô! Ry Tompoko ô! Ity dia jiro iray nazavaina tamin’ny afon’ny Fitiavanao sy narehitra  tamin’ny lelafo nirehitra teo amin’ny hazon’ny Famindramponao.
Ry Tompoko ô! Ampitomboy ny firehetany, ny hafanany sy ny lelafony, amin’ny afo izay nirehitra tao amin’ny Sinaïn’ny Fanehoanao.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanamafy orina, Ilay Mpanotrona, Ilay Mahery, Ilay Onena olona, Ilay Fitiavana.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9374)

Ry Tompoko ô, Malalako, Faniriako! Aoka ho namako amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ny fitokanako monina. Esory ny alaheloko. Ataovy izay hanokanako tena amin’ny Hatsaranao. Afaho aho  amin’ny hafa afatsy Ianao. Sariho amin’ny hanitry ny Fahamasinanao aho.
Ataovy izay hiraisako, ao amin’ny Fanjakanao, amin’ireo izay niala tamin’izay rehetra tsy Ianao, izay maniry fatratra hanompo ny Tokonanao masina ary vonona hiasa ho an’ny Fototrao. Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanompovavinao izay nahatratra ny Fahafinaretanao aho.
Marina tokoa, Ianao Ilay Be fitiavana, Ilay Onena olona.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9375)

Ry Andriamanitra! Andriamanitro! Arovy ireo mpanomponao mahatoky amin’ny faharatsian’ny fitiavan-tena sy ny filan’ny nofo; arovy amin’ny maso matsilon’ny Fitiavanao izy ireo amin’ny lolompo, ny fankahalana sy ny fitsiriritana rehetra, alofy ao amin’ny mandan’ny Fikarakaranao izy ireo ary arovy amin’ny zanatsipikan’ny fisalasalana, ataovy fanehoana ny Famantaranao be voninahitra izy ireo, hazavao ny endriny amin’ny tara-pahazavana mamirapiratra izay nalatsaka avy amin’ny Somambisambin’ny Maha-Iray Anao, ampifalio ny fony amin’ireo andininy nambara avy amin’ny Fanjakanao masina ary amafiso ny valahany amin’ny Fahefanao ambony indrindra izay avy amin’ny Fanjakan’ny Voninahitrao.
Ianao Ilay Mpangoraka, Ilay Mpiaro, Ilay Tsitoha, Ilay Be fahasoavana.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9376)

Ry Andriamanitra! Velombelomy sy ampiravoravoy ny fanahiko. Diovy ny foko. Hazavao ny saiko. Apetrako eo am-Pelatananao ny raharahako rehetra. Ianao no Mpitarika ahy sy Fialofako. Tsy te ho be alahelo sy fahoriana intsony aho, fa te ho sambatra sy ho feno hafaliana kosa.
Ry Andriamanitro ô, tsy te ho feno tebiteby intsony aho, na hamela ny fahasahiranana hampijaly ahy. Tsy te hitambesatra intsony amin’ireo sorisorim-piainana aho.
Ry Andriamanitra ô, sakaizako akaiky noho ny tenako Ianao. Manokana ny tenako ho Anao aho, ry Tompoko ô!

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

TOETRA ARA-PANAHY (#9377)

Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! Fanantenako Ianao ary Malalako, Faniriako ambony indrindra sy Tanjoko! Amim-panetren-tena tanteraka sy am-panoloran-tena manontolo, mivavaka Aminao aho mba hanao ahy ho tilikambon’ny Fitiavanao ao amin’ny Taninao, jiron’ny Fahalalanao eo amin’ireo Voaharinao ary fanevan’ny Fahasoavan-danitrao ao amin’ny Fanjakanao.
Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanomponao aho, izay tsy niraikitra tamin’ny zavatra rehetra afatsy  Ianao, niaro ny tenany tamin’ny zava-mandalon’ity tontolo ity, ary nanala ny tenany tamin’ny bitsikin’ny rendrarendra.
 Avelao ny foko ho dibo-kafaliana avy amin’ny fanahin’ny fanamafisana avy amin’ny Fanjakanao, ary hazavao ny masoko noho ny fibanjinana ny tafikin’ny fanampian-danitra izay nidina nifanesy avy any amin’ny fanjakan’ny Voninahitrao tsy manam-petra.
Ianao, marina tokoa, Ilay Tsitoha, Be Voninahitra, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

